1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezerani Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro ani Vasty sy izay efa nataony izy Ary ny efa nitsarana azy.

2 Ka dia hoy ireo zatovonny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;

3 Ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any aminny isan-tokony eranny fanjakany rehetra, dia aoka hovorinireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy aminny fehini Hegay, tsindranolahinny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; Ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy; 

4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo ani Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.

5 Ary nisy Jiosy anakiray tany Sosana renivohitra, Mordekay no anarany, zanaki Jara, zanaki Simey, zanaki Kisy, avy taminny taranaki Benjamina,

6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema taminny babo izay nentina niaraka tamini Jekonia, mpanjakanny Joda, izay nobaboini Nebokadnezara, mpanjakani Babylona.

7 Ary izy nitaiza ani Hadasa (Estera izany), zanakavavinny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; Ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, Ary noraisini Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.

8 Koa nony re ny teninny mpanjaka sy ny lalny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho aminny fehini Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranonny mpanjaka koa Estera ho aminny fehini Hegay, mpifehy ny vehivavy.

9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny Ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranonny mpanjaka; Ary nafindrany ho ao aminny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.

10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperani Mordekay mba tsy hilaza izany izy.

11 Ary Mordekay nitsangatsangana isan-andro teo anoloanny kianjanny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetrani Estera sy izay anaovana azy.

12 Ary nony tonga ny andro hidiranny zazavavy tsirairay isan-andro tany amini Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambinny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra taminizay ny andro fidiovany, dia enim-bolana taminny diloilo nisy miora, Ary enim-bolana taminny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovanny vehivavy),

13 Koa nony hiditra ao aminny mpanjaka ny zazavavy taminizany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy aminny tranom-behivavy ho ao an-tranonny mpanjaka.

14 Taminny hariva no nandeha izy, Ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeranny vehivavy, hop aminny fehini Sasegaza, tsindranolahinny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; Ary tsy mba niditra tao aminny mpanjaka intsony izy, raha tsy tianny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.

15 Ary rehefa tonga ny anjara androni Estera, zanakavavini Abihaila, rahalahin-draini Mordekay, izay efa nandray azy ho zanani-vavy, hidirany ao an-tranonny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononini Hegay, tsindranolahinny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imasonny olona rehetra izay nijery azy.

16 Dia nentina ho ao amini Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranonny fanjakana, taminny volana fahafolo (volana Tebeta izany) taminny taona fahafito nanjakany.

17 Ary tianny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo ani Vasty.

18 Ary ny mpanapaka nanao fanasana lehibe ho anny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasani Estera izany; Ary nanendry andro fifaliana ho anny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomenny mpanjaka.

19 Ary raha nisy virijina novoriana fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadinny mpanjaka Mordekay.

20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperani Mordekay azy ihany; fa ny tenini Mordekay dia nankatoavini Estera tahaka ny fony izy mbola nitaiza azy ihany.

21 Taminizany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadinny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isanny tsindranolahinny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono ani Ahasoerosy mpanjaka izy.

22 Ary fantatri Mordekay izany ka nambarany tamini Estera, vadinny mpanjaka; dia nambarani Estera taminny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazaini Mordekay azy.

23 Ary rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona taminny hazo izy roa lahy; Ary nosoratana tao aminny bokinny tantara teo anatrehanny mpanjaka izany.
